Olona valo tsara vintana sahady no efa notoloran’ny orinasam-pifandraisana Airtel loka ny faran’ny herinandro teo ao anatin’ilay hetsika “tanteraka ny nofinofiko” tanterahin’izy ireo entina hanomezana fahafaham-po ny mpanjifany amin’izao faramparan’ny taona izao.
Fera fipasohana, finday, lecteur Divx no nozaraina tamin’izany. Notolorana taratasim-bola 10.000 ka hatramin’ny 200.000 Ar kosa ireo dimy voalohany. Anisan’ny nahazo ny loka voalohany Andriamatoa Hoavimanoy Antenaiko Valisoa avy any Toliara, nibata ny vola 200.000 Ar. Mbola hitohy hatramin’ny 20 janoary ity fizarana loka tanterahin’ny Airtel ity amin’ny alalan’ny fandaniana fahana 3.000 Ar isan-kerinandro na fividianana finday tsotra iray izay hahazoana tapakila folo avy hatrany hahafahana mandray anjara amin’ilay ankitsapaka tanterahin’izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.