Actualités

FANOMEZANA FARAN’NY TAONA “Mercedes sprinter” no hatolotry ny Airtel


  • Alakamisy 24 Novambra 2016

Iray volana mahery kely sisa dia higadona ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taona vaovao.

 Tsy vitsy ireo mitady fanomezana hatolotra ny olona akaiky noho izany azy entina hanamarihana manokana ny fety. Ho an’ny orinasam-pifandraisana Airtel dia efa nanomboka ny 14 novambra lasa teo ka hatramin’ny 15 janoary taona 2017 ny lalao mifandraika amin’izany ho an’ireo mpanjifany izay mety hahazoana fiara Mercedes  sprinter iray vaovao, loka anisan’ireo goavana indrindra. Amin’ny alalan’ny antsapaka tontosaina isan-kerinandro no hahafahana mamaritra izay tsara vintana izay mety hahazoana finday, telefaonina, fahitalavitra, môtô scooter, lecteur Divx, milina mpanaparitaka herinaratra…ihany koa. Manodidina ny 3.000 Ar isan-kerinandro no fandaniana tokony hatao amin’izany, amin’ny alalan’ny antso, sms, ny connexion …Ho an’ireo mividy finday tsotra kosa dia mahazo tapakila miisa 10 avy hatrany izy ireny hahafahany mandray anjara amin’ny lalao.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT