Ny 17 jolay 2015 izao no hanatanterahana ny fifidianana kaominaly eto Madagasikara. Efa manomana izay indrindra ny vaomiera misahana ny fifidianana ka hametrahana fitaovana fikirakirana ny valim-pifidianana ny isam-paritra manomboka amin’ity volana janoary ity.
Tonga nametraka sy nijery ny toerana hametrahana io fitaovana io ny delegasionin’ny CENI-T ka ny faritra Boeny no voalohany hametrahana izany. Tafiditra amin’ny anton-dian’ireto delegasiona ireto ny fanomanana ny fampitaovana amin’ny birao misahana ny fifidianana ao Mahajanga, eo koa ny fampahafantarana ny zava-misy mialoha ny fifidianana. Haharitra telo andro izy io izay tarihan’ny filohany Attalah Béatrice. Raha tsiahivina dia miisa 371 661 ny isan’ny mpifidy aty amin’ny faritra Boeny izay avy amin’ny kaominina 43 sy distrika 6 ary manana birao fandatsaham-bato 79. Mandritra ny fanomanana ny fifidianana ity dia hisy ny fandraisana mpiasa isaky ny distrika manerana ny nosy izay hisahana ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida mpilatsaka hofidiana. Ny tanjona dia mba ho fifidianana madio sy mangarahara no hisy eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.