Actualités

Fanomanana ny fidiran’ny mpianatra Mandany 1.600.000 Ar eo ny sekoly iray


  • Talata 30 Aogositra 2016

Tapa-bolana eo ho eo sisa raha betsaka dia hanomboka ny taom-pianarana vaovao 2016-2017. Efa miomana fatratra amin’izany ny sekoly tsirairay avy, indrindra fa ny sekoly tsy miankina.

Raha araka ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny Lycée Privée La Prime Anosibe dia handanian’izy ireo 1.600.000 Ar isan-taona ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra ankoatra ny fandraisan’anjaran’ny tompon-trano, hoy Ramatoa Solonandriana Mbolasoa. Manofa mantsy izy ireo no etsy Anosibe. Anisan’izany ny fandokoana ho loko hafa ny efitrano sasany, miankina amin’ny filan’ny mpianatra hampianarina, ny fandokoana ny tabilao, ny fanoloana ireo dabilio simba nandritra ny taom-pianarana lasa izay efa mahatratra 60.000 Ar ihany koa ny iray raha am-polony maro no tsy maintsy hamboarina, ny famantsihana ireo dabilio nisy fahasimbany izay manodidina ny 2 hetsy Ariary isan-taona eo ho eo raha kely indrindra ny vola mivoaka. Nohavaozina hanara-penitra koa ny trano fivoahana. Ny 12 septambra ho avy izao no hanomboka hiditra ireo mpianatra ao amin’izy ireo raha ny 70%-n’ny mpianatra no efa nanavao ny fisoratany anarana, 70% ihany koa no vaovao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT