Actualités

Fanolorana faneva ho an`ireo jeneraly Tsy tonga ny filoham-pirenena


  • Sabotsy 23 Febroary 2019

Notolorana faneva omaly teny Ivato ireo manamboninahitra jeneraly 61 nasondrotra tamin`ny taona 2018.

 

 

 

 Soatoavina miaramila sady marika fanomezana andraikitra manokana ho an`ireo jeneraly eto amin`ny firenena no antony nanolorana azy ireo ny faneva izay misy ny tarigetran`ny tsirairay maneho ny fitiavan-tanindrazana. Lanonana ara-miaramila no nanatanterahana izany nialohavan`ny fisafoana andian-tafika nataon`ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, Jly Ravalomanana Richard, izay nisolotena ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina. Nitondra teny ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Jly Rakotonirina Leon Jean Richard, ka nilaza fa laharam-pahamehana ny ady amin`ny dahalo, ny fakana an-keriny ary fanondranana harem-pirenena. Nanome toky kosa ireo jeneraly notolorana faneva fa vonona hanome ny anjara birikiny amin`ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ho an`ny firenena. Mahavariana tokoa ny tsy fahatongavan`ny filoha Rajoelina sady filoha faratampon`ny foloalindahy. Nirosoana ny lanonana ara-miaramila ho fanomezan-boninahitra ambony indrindra ny filoha. Nisy mihitsy ny matso nataon`ny tafika sy ny zandary niisa 900 ho fanehoana izany. Natao niavaka sy nisoratra teo amin`ny tantara ny fametrahana ny filoha Rajoelina tamin`ny toerany satria tamin`ny fianianana farany teo ihany no nisy matso. Tsy ankasitrahan`ny filoham-pirenena ve ny fanendrena an`ireo jeneraly ireo satria tamin`ny andron`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, no nasondrotra ny laharam-boninahitr`izy ireo ? Rehefa fandresena toy izao anefa dia tsy maintsy manatrika lanonana ny filoham-pirenena ary teny amin`ny lapan`i Iavoloha no tokony ho nanatanterahana azy. Tsy fanajana ny foloalindahy ? Maro ny traikefa sy ny zava-bitany matoa nasondrotra ho jeneraly ny manamboninahitra iray ka ny andro toy izao no hanehoana ampahibemaso izany sy ho fanomezana ohatra ho an`ireo zandry eo anivon`ny foloalindahy.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT