Manomboka anio etsy amin’ny Gallery Alhambra Ankadimbahoaka ny fanoloana ireo « permis biometrique » tamin’ny endriny teo aloha.
Lasa adihevitra sy miteraka fikorontanan-tsaina indray, indrindra fa ny fisiana « lettre d'engagement » izay ambaran’ny minisiteran’ny atitany fa hoentina manambara, fa tena izy "Authentique" ary tsy misy hosoka ny « permis de conduire biometrique » izay hosoloina. Marihinay fa misy tokoa ny teo aloha hosoka ary koa azo tamin'ny alalan'ny antontan-taratasy hosoka (Faux bordereau) misy ny « modèle » azo alaina tahaka, hoy ny fanazavana. Midika io fa tena nisy ny tsirambina ary tsy manana firaketana (base des données) momba ireo efa vita teo aloha ny fanjakana. Tonga dia mivoaka eo vao ampidirina ny anaran’ilay hosoloina raha ny tokony ho izy. Lasa mikorontana indray ny saim-bahoaka. Ho an'ireo efa nadoa vola tao amin'ny Faritany Ambohidahy teo aloha nefa tsy nahazo ny "Permis Biometrique", dia mila manatona eny amin'ny « Centre Immatriculateur » ao amin'ny Porte 25 fa efa misy olona miandraikitra an'izany ao. Eo amin'ny herinandro eo ny fanamboarana satria mbola hisy ny « contrôle d'authenticité » an'ireo « Permis biometrique » hosoloina, hoy ny fanazavana. Raha mipetraka any ivelany ilay olona ka tokony hanolo ny Permis ilainy, dia tsy afaka maniraka olona izy fa tsy maintsy tonga ao amin'ny « Centre Immatriculateur » mba halaina sary sy mametraka peta-tondro ary manao sonia. Raha lany ny « validité » an' ilay « catégorie » nefa ny anjarany mbola amin'ny taona manaraka, dia tsy maintsy manavao ny "Visite Médicale" izy ary tsy maintsy manolo ny « Permis biometrique » indray amin'ny sarany 38 000Ar. Ny zokiolona mahatratra 60 taona miakatra izay lany "Visite Médicale" dia maimaimpoana ny fanoloana azy. Tsy maintsy manatona ny "Centre Immatriculateur " "Permis Carton Rose" ary mandoa ny sarany Permis biométrique vaovao. Hatreto aloha dia mbola azo soloina foana izy ireny, hoy ny minisitera.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.