Ny taona 2009 raha araka ny fanadihadiana natao dia tena nampirongatra ny fanolanana teto amintsika. Nihanahazo vahana hatrany izany ary vao mainka mihamahery vaika indrindra tamin’ity taona 2014 ity.
Niteraka olana goavana teo amin’ny andavan’androm-piainan’ny mponina teto Madagasikara ny fanonganam-panjakana nitranga teto amin’ny firenena tamin’ny taona 2009 ka niteraka ny krizy. Betsaka mantsy ireo very asa ka tafahitsoka lalina tanaty fahantarana hany ka nanaotao foana avokoa ary mitady zavatra tsy fampiseho masoandro. Lohalaharana amin’izany ny lehilahy toy ireo mpampianatra, pastera, ray niteraka, rahalahin-dray… izay sahy manoloana ny zaza tezaina, ny zanaka vavy eny hatramin’ireo mpiara-monina na dia tokony ho môdely aza. Raha ho an’ny fikambanana HAFARI Malagasy manokana izay mpiaro ny zon’olombelona dia enina isan-kerinandro teo ho eo ny fitarainana voarain’izy ireo tamin’ny taona 2012 sy 2103 iny. Nihena kely izany tamin’ity taona 2014 ity saingy niharatsy kosa ny fitrangany.
Zazalahy kely
Ankoatra ny zazavavy kely dia lasibatra ihany koa ny zazalahikely manomboka eo amin’ny 11 taona. Tamin’ity taona 2014 ity no tena nahitana betsaka io ho an’ny fikambanana HAFARI Malagasy hatrany ary tsy vitsy ireo simba tanteraka. Mbola ny lehilahy hatrany no havanana amin’izany noho ny fitobaky ny zava-mahadomelina eto amintsika, ny fijerena ireo karazana horonan-tsary mamoafady …izay mitarika ireo lehilahy hampihatra ny filàn-dratsiny amin’ireo tsy manan-tsiny. Anisan’ny tranga iray nahitana izany ny tetsy Anosibe izay nahasimbana zazalahy kely miisa telo, roa volana lasa izay. Ankoatra izay dia tsy vitsy ireo fikambanana sy ONG maro samihafa eto amintsika no maharay fitarainana momba ny fanolanana tahaka izany izay tsiahivina fa tsy mitazam-potsiny. Mandray an-tanana ireo ankizy lasibatra izy ireny, mitondra ireto farany manao fitiliana ary mitsabo mihitsy raha azo hatao ankoatra ny fitondrana ny raharaha eny amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.