Polisy mpiandry raharaha amin’ny alina sady vao mpiana-draharaha ity mpitandro filaminana voarohirohy nanolana ankizy vavy roa tsy ampy taona ity.
Nanatanteraka fisafoana irery izy tany Ikongo ka noraofiny ireo olona enina hitany fa nampodiany ireo efadahy. Ny roa vavy kosa nanamparany ny filany ara-nofo tamin’ny alina vao nalefany nody ny maraina, araka ny resaka manokana nifanaovana tamin’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka, afak’omaly. «Agent de police stagiaire, izy io, tamin’ny sabotsy heriny no naiditra am-ponja vonjimaika. Anisan’ireo polisy nisahana ny raharaha izy io ny alina. Nandeha nivoaka irery izy tamin’ny alina. Nahita olona enina izy tany am-pivoahany tany ka nanaovany fanamborana. Efatra ny lehilahy ary roa vavy ireo nosamboriny. Ireo vehivavy dia zaza tsy ampy taona, 14 sy 12 taona. Tamin’io alina io ihany, nalefany nody daholo ireo lehilahy efatra fa ireo vehivavy no notazoniny. Nony maraina ny andro, nalefany namonjy fodiana koa ireo zazavavy roa ireo. Nitaraina tany amin’ny fianakaviany ireto farany izay tsy ampy taona fa naolan’ny polisy iray. Tonga nanatitra ny fitarainana tamin’ny mpiandraikitra ny ankohonan’ny lasibatra. Notanterahina ny fanadihadiana, ary naka alalana hanatanteraka ny fanenjehana an’io polisy mpanolana io ny mpiandraikitra ny Fitsarana tao Fianarantsoa. Tamin’ny zoma 26 aprily no nomen’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka ny fanomezan-dalana ary ny sabotsy 27 aprily ilay polisy no niakatra fampanoavana ka naiditra am-ponja vonjimaika tao Fianarantsoa.” Araka ny fanampim-baovao nampitain’ny Commissaire Principal de Police Albert Estel Ainanirina, Directeur de cabinet du ministère de la sécurité publique. Mbola handalo famotorana mikasika ny fitsipi-pifehezantena ihany koa ity voapanga ho mpanao herisetra ara-nofo. Mbola miandry ny fitsarana azy any am-ponja izy ary ho fantatra amin’izany ny sazy ho azony.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.