Hifarana ihany ny volana septamba 2015, tsy re be tsy re kely ny tohin’ny fitoriana nataon’ny mpitantana ny MBS (Malagasy Broadcasting System),
izay haino aman-jerin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny hampiatoana sy hanafoanana ny didy navoakan’ny minisiteran’ny serasera sy fampahalalam-baovao ary ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana mandrara ny hisokafana ka handehanan’ity haino aman-jery ity. Efa tany amin’ny volana jona 2015 ny fitoriana no tafapetraka any amin’ny Filankevi-panjakana. Tokony hamaly ao anatin’ny telo volana ity farany nefa hatreto, mangina. Nanjavona ve ny dosien’ny MBS sa tsara pirina ao anaty vatasarihana sa efa lasa fametrahan-tongotra mihitsy ? Aiza moa no tsy hampitombo ny ahiahian’ny maro hoe ataon’ny mpitondra fitaovana politika ny Fitsarana eto Madagasikara.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.