Aza manao ririnin-dasa tsy tsaroana ! Nazava ny tenin’ny Minisitry ny indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ary ny orinasa madinika sy salantsalany, Dr Jules Etienne Roland teo anatrehan’ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny alarobia 18 jona 2014, raha namelabelatra ny politikan’ny minisitera sahaniny amin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana izy.
. “Hiverina hihodina ny orinasa TIKO”. Efa eny am-pelatananay ny taratasy rehetra mikasika ity orinasa ity, hoy izy tamin’izay ary nanome toky fa hotanterahana ny hanaovana izany haingana. Nangataka taminy ny hanokafana tsy misy hatakandro ny orinasa TIKO rahateo ireo depiote tonga nivory satria nampiasa mivantana olona miisa 3500 ity orinasa ity ary manodidina ny 20.000 ireo tantsaha niara-niasa taminy. Mazava ny resaka tamin’izay ! Alakamisy 03 jolay 2014, nidina tany Andranomanelatra nitsidika ity orinasan’ny finakaviana Ravalomanana ity ny minisitra Jules Etienne, ary mbola nanamafy teo anatrehan’ireo mpitantana ity orinasa goavana teto Madagasikara ity fa «tsy hitako intsony ny olana amin’ny hisokafan’ny orinasa TIKO». Mbola naverin’i Jules Etienne indray tamin’io fa fanambiny, raha nandray ny Minisitera, fa “tokony hihodina avokoa ireo orinasa Malagasy ka tsy hijerena fofon’iza na an’iza satria nisy Malagasy niasa tao ary indrindra Malagasy ny tompony”. Efa-bolana sy tapany aty aoriana, mijanona ho fampanantenana sy teny mamy avokoa ireny mba tsy hilazana fa fampiesonana fotsiny iny resaka iny.
Tsy nahenoan-teny intsony
Tsy nanafina ny alahelony moa i Tojo Ravalomanana raha nampiantrano ny minisitra Jules Etienne nitsidika ny orinasa tao Andranomanelatra nilaza fa ny vahiny no mibahana ny 70% ny fandraharahana indostrialy eto Madagasikara fa ny Malagasy toa tsy afa-miasa. Nilaza ity zanaka lahiaivon’ny filoha Marc Ravalomanana ity fa “vonona tanteraka amin’ny fanodinana ny orinasa ka na anio dia anio aza dia efa afaka miasa avy hatrany, fa miankina amin’ny fitondram-panjakana izany”. Indrisy ! Inona no nahazo an’ingahy minisitra tao anaty governemanta tao ? Nisy tsindry na fandrahonana ve ka nampihemotra azy ? Izy rahateo tsy nahenoan-teny momba io raharaha TIKO io intsony taorian’izay. Mby aiza ihany koa izao ny amin’ilay Bankin’ny indostria nambaran’ny minisitra Jules Etienne sa mijanona ho nofinofy ihany izany hiandrasana azy ho tonga praiminisitra vao hotanterahina ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.