Laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana malagasy ny fanapariahana ny taozava-baventy miaraka amin’ny fanatsarana ny sehatry ny indostria ary ny famerenana ny Agoa, hoy ny minisitry ny Indostria, ny sehatra tsy miankina ary ny orinasa madinika sy salantsalany Jules Etienne volana vitsivitsy lasa izay nanoloana ireo solombavambahoakan’i Madagasikara
. Nosinganiny manokana tamin’io fotoana io fa vaindohan-draharahan’ny mpitondra fanjakana ny hanokatra manontolo ny orinasa Tiko mialoha ny faran’ny taona 2014 miaraka amin’ny fanonerana ny tambinkaraman’ireo mpiasa very asa tao amin’ity orinasan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc izay nopotehana tamin’ny taona 2009 ity. Nolazainy ihany koa tamin’izay ny handinihan’ny filankevitry ny minisitra ny antontan-taratasy hirosoana amin’ny fanokafana ny orinasa. Efa miditra amin’ny tapaky ny volana novambra sahady ny taona 2014 ity saingy toa tsy heno intsony ny tohin’ny raharaha. Dia sanatria ve misy ifandraisany amin’ny fahatongavan’ny filoha mpanorina ny orinasa Tiko eto an-tanindrazana ihany koa ? Ny zava-misy aloha dia fampanantenana iray hafa tsy tanteraky ny fitondrana Rajaonarimampianina indray izy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.