Nilaza i Guy Laurent Ramanankamonjy, Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fifandraisana omaly fa tsy tokony hasiana teritery politika ny fanokafana ny orinasan-tserasera MBS satria efa eo am-pelatanan’ny filankevi-panjakana ny dosien’ity orinasa ity,
ka aleo izy hanao ny asany ankalalahana. Tsy fantatr’ity tompon’andraikitra ity ve fa efa an-taonany ny antontan-taratasin’ny MBS no tany amin’ny filankevi-panjakana ary efa nandeha ny fangatahana rehetra na an-tsoratra na am-bava saingy tsy nisy valiny ? Tsy nisalasala izy nilaza fa efa foana tanteraka ny MBS ary lazaina ho tsy ara-dalàna mihitsy nialoha ny 2009, ka nambara ho tsy nahaloa hetra. Efa nomena ny orinasa hafa ny mari-drefin’ny MBS satria orinasa efa tsy misy intsony izany, hoy izy. Mila mangataka fahazoan-dalana vaovao ny MBS raha hanokatra orinasan-tserasera vaovao, saingy tsy mbola manome fahazoan-dalana ny minisitera amin’izao fotoana izao, raha ny fanambarany. Maro anefa ireo orinasan-tserasera nisokatra malalaka tato ho ato, izay fantatra fa olon’ny fitondrana na akaiky ny mpitondra avokoa no tompony ?
NY MPITONDRA NO TSY MANAJA LALANA
Tafiditra tao anaty tondrozotra izay efa navadika ho lalàna velona teto amin’ny firenena ny fanonerana ny fananan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana potika tamin’ny krizy, toy ny orinasan-tserasera MBS, izay tsy nisafidy ny hikatona fa noho ny fahapotehana, ka niato tsy fidiny. Tsy tokony ho tonga amin’izao ny resaka fa ny fanjakana tetezamita sy HVM mihitsy no nanao antsojay nanakanana ny fisokafana, ka nahafaha-nilaza fa orinasa efa tsy misy intsony io na dia vao potika aza dia efa nisy ny fangatahana ny fanokafana saingy tsy nivaly mandrak’androany. Na ny resaka teknika na ara-panjakana, dia tsy tokony hisy sakana mihitsy ny fisokafan’ny MBS. Tsy misy afa tsy kajy politikan’ny HVM no ao ambadika raha ny fahitana azy noho ny tahotry ny fitondrana manoloana ny tanjaka politika ananan’i Marc Ravalomanana, izay efa nanambara ny firotsahan-kofidiany ho filoham-pirenena. Tsy ampahafirin’ny nampody an’i Dada teto Madagasikara anefa ny famerenana ny MBS, hoy Raveloson Constant ny sabotsy lasa teo, ka mbola samy miziriziry amin’ny heviny ny roa tonta.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.