Tantara mitohy ny resaka famokafana ny haino aman-jery MBS (Malagasy Broadcasting System).
Nanantitrantitra omaly, araka ny fampitam-baovao voaray avy aminy i Marc Ravalomanana, fa mbola manan-kery tsara, tsy nomena olona ary tsy namidy sady tsy nofoanana ny fahazoan-dalana (Licence) an’ny onjam-peo sy ny fahitalavitra MBS. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana amin’ny alalan’ny filankevi-panjakana satria io irery no rafitra afaka mamoaka ny didy, araka ny lalàna velona. Tsy te hahalala ny fanambarana nataon’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera ny avy ao amin’ny MBS fa dia miantso ny fitsarana mahefa mba hitsara ny raharaha mampifanolana ny fanjakana amin’ny MBS ka eo ihany no hahafantarana ny marina. Ho an’i Guy Laurent Ramanakamonjy sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny serasera dia tsy azo eritreretina intsony ny fanokafana ny MBS satria orinasa efa nofoanana io ary tsy misy intsony.Maro be moa ny zavatra nifamahofaho tamin’ireny 2009 ireny koa izany no ilana fanadihadiana sy fanapahana avy any amin’ny fitsarana mahefa. Efa ho roa taona latsaka kely izao no teny amin’ny filankevi-panjakana (conseil d’etat) ny dosie MBS fa mahagaga no mbola tsy namoahan’io sampam-pitsarana io ny heviny…moa ve mbola sahirana manao fanadihadiana lalina marina sa tratran’ny tsindry bokotra ? Fantatra moa fa manaraka akaiky ity raharaha ity ny sehatra iraisam-pirenena ary Atoa Marc Ravalomanana ihany koa dia efa namerimberina fa tsy hipetra-potsiny izy fa hikaroka ny fomba rehetra hahafahana mampandeha indray ny onjampeo sy fahitalavitra MBS ary efa ao anatin’ny fandaharanasa ny fandrakofana an’i Madagasikara mba hahafahan’ny Malagasy tsy an-kanavaka maharaka vaovao amin’ny fotoana rehetra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.