Miteraka resabe ao an-drenivohitry ny Faritra Anôsy hatramin'izao ny tsy nanatrehan'ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier ny fotoam-panokafana ny “Festival Sambaraha” ny sabotsy 17 desambra teo.
Tsy fantatra izay tena antony fa raha ny fanadihadiana natao dia nijanona tany amin'ny hotely nivantanany izy io sabotsy io. Ny fiandrasana azy avy any Ambovombe nanatrika ny lanonana fizarana Vatsin’ankohonana niaraka tamin’ny filohan’ny Repoblika anefa no nanemorana ho tolakandro ny lanonam-panokafana ny festivaly tamin’ny alalan’ny karnavaly lehibe raha tokony ho ny marainan’io sabotsy io, araka ny fandaharam-potoana efa voafaritra. Akory anefa ny fahadisoam-panantenan'ireo mpandray anjara fa ny minisitry ny indostria Nourdine Chabani sy ny minisitry ny mponina Onitiana Realy no tazana. Samy maminavina ny rehetra fa sao dia ireo fampanantenana nataony laza masaka tamin'ny vahoakan'Anôsy nefa tsy tanteraka no antony nampilentika azy. Nampanantena ny praiminisitra raha nandalo tao Tolagnaro volana vitsy lasa fa hanamboatra ny kianjan’Ampasamasay tsy nety vita hatramin’ny tetezamita, ny hijery ny handaminana ny vidin-jiro izay mampikaikaika ny mpanjifa, ary ny hamahana olan’ny karaman'ny mpiasan'ny kaominina ambonivohitr’i Tolagnaro. Hatramin’izao anefa na iray tamin’ireo aza tsy mbola tanteraka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.