Tsy nomen’ny mpitondra tao Vakinankaratra lanja tanteraka ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fanokafana ny fankalazana ny faha-35 taona nijoroan’ny FFKM, izay notontosaina tao amin’ny Fiangonana Anglikanina Antsenakely ny alahady 30 novambra tamin’ny 2 ora sy sasany
Tsy nisy manampahefana na iray aza nanatrika izany afa tsy ny lefitra voalohan’ny delegasiona manokana irery sy ny filohan’ny mpanolotsain’ny tanànan’Antsirabe. Raha ny nambaran’ny mpikarakara dia nahazo fanasana ny Lehiben’ny Faritra sy ny filohan’ny Delegasiona manokana, ireo solombavambahoaka nanerana an’i Vakinankaratra, ireo talem-paritry ny sampandraharaha isan-tokony, eny fa hatramin’ireo tompon’andraikitry ny mpitoandro filaminana aza saingy noraisin’izy ireo ho antso an’efitra ny fanasana. Asa aloha na ny FFKM izay miroso amin’ny dingan’ny fampihavanana no nitsipahin’ireo mpitondra tany an-toerana ny fanasana na tsia satria niompana tamin’izany rahateo ny lohahevitra ho an’ny fankalazana dia ny nambaran’i Paoly ho an’ny Efesianina II : « Fa fampihavanana sy fanantenana ho antsika i Kristy », ka mety mampatahotra ireo mpitondra ny fampianarana. Nandritra ity fotoana ity ihany koa no nanaovana tatitra ny zaikabe farany natao tany Mahajanga teo iny, ary nitondran’ireo mpitarika teto Antsirabe ny anjara andraikitry ny FFKM manodidina ity resaka fampihavanana ity. Voaporofo indray fa tsy vonona amin’ny firosoana amin’ny resaka fampihavanana mihitsy ny mpitondra eto Madagasikara raha tarafina tamin’ity nitranga teto Antsirabe ity hatreto, satria tokony ho hita taratra miainga avy ety ifotony ihany koa ny fiverenan’izay fihavanana izay halain’ny any ambony tahaka. Sa ilay mifanohitra amin’izay no izy ? Miainga avy any ambony ny ohatra ! Mahalasa saina!!!!
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.