Actualités

Fanokafana kaonty BNI Mahazo fihenam-bidy 80% ny mpiasam-panjakana


  • Alarobia 16 Novambra 2016

Vonona ny hanampy hatrany ireo mpiasam-panjakana eto amintsika ny banky BNI Madagascar mba hanamorana ny fiainan’izy ireny amin’ny andavanandro.

Tafiditra ao anatin’izany ny fitandroana ny fandriampahalemana amin’ny fikirakirana vola na eny am-pandehanana na any an-tokantrano. Ireo mpiasa eny anivon’ireo minisitera miara-miasa aminy akaiky no voakasik’izany, antony hanomezany ilay  tolotra misy fihenam-bidy hatrany amin’ny 80% ho an’izay mpiasam-panjakana tonga manokatra kaonty ao aminy. Mandritra ilay herinandro iray isam-bolana ao anatin’ilay hetsika herinandro ho an’ny mpiasam-panjakana no hanatontosany izany, hanomboka anio alarobia 16 novambra. Ny volana septambra lasa teo no nanomboka ny hetsika  izay  ezahina hitohy hatrany hahafahan’ireo mpiasam-panjakana rehetra manerana ny Nosy misitraka izany. Hatreto dia mpiasam-panjakana miisa 12.000 no efa nanokatra kaonty, an’arivony kosa ireo mbola maniry ny hisitraka izany.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT