Sekoly Kristianina roa, dia ny sekoly “Soeur des filles de la charité du sacre cœur de Jésus” sy ny ivontoeram-piofanana arak’asa “Sœur Ursulines”
samy ao Antsiranana no notoloran’ny orinasa Star “kits solaires” miisa 100 sy milina fanjairana miisa 50 ho an’ireo tovovavy sahirana sy mananontena miofana momba ny zaitra any an-toerana ny herinandro teo, notarihin’ny sekretera jeneraliny Rabary Anna. Ho an’ny kits scolaires manokana dia nahitana kitapo miisa 100, kahie 300, trosy 100, stylo 100, fitsipika 100, gaoma 100… tao anatiny izay natokana indrindra ho an’ireo ankizy tena sahirana manovo fahalalana eo anivon’ny sekoly ka anisan’ireny ny mponina ao Manongalaza, toerana misy ny sekoly. Ireo milina fanjairana miisa 50 kosa indray entina hanampiana ireo tovovavy mananontena sy tovovavy maniry ny hanao ny asa ho mahavelona azy mba tsy hahatonga azy ireny ho vesatry ny fiarahamonina intsony. Tsiahivina fa efa 20 taona no nisian’ny orinasa Star tao Antsiranana. Misy hatrany ny fandraisany andraikitra amin’ny fampandrosoana ny fiainan’ny mponina noho izany toy ny lafiny ara-pahasalamana, fanabeazana, fiarovana ny tontolo iainana…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.