Hotanterahina manerana ny Nosy, ny 21 ka hatramin’ny 23 novambra taona 2017 ny fanadinana tokana ho an’ireo mpianatra ho mpitsabo (Paramed) eny anivon’ireo sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana.
Taranja miisa dimy no hanadinana ireo mpiadina amin’izany, hitsapana ny fahaizan’ireo mpianatra volavolaina eny anivon’ny Oniversite tsy miankina. Mbola olana anefa hatreto ny fandrafetana programa tokana hampiharina amin’ny fanofanana ireo mpianatra ho mpitsabo fa samy mandeha samy mitady. Mety ho lasa ankilabao vokatr’izany ireo tena mpisehatra amin’ity fanofanana ho mpianatra mpitsabo ity raha tsy misy ny marimaritra iraisana. Ho an’ny vondrona INSPNMAD tarihin’ny filoha mpanorina azy Razanadrakoto Roland izay nanohana voalohany io fanadinana tokana io dia tsy maintsy tadiavina ny vahaolana ka anairany ny fitondram-panjakana sy ny mpiray tanindrazana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.