Actualités

Fanofanana ireo PARAMED Hifanakalo hevitra ny CMR-PARAMED sy ny fanjakana


  • Zoma 11 Novambra 2016

Vonona ny hifanakalo hevitra amin’ny CMR-PARAMED na ny “Cercle Mixte reflexion pour la révalorisation du système des paramédicaux à Madagascar”

 

 ny fitondram-panjakana mikasika ny fampiharana ilay fandaharam-pianarana nasionaly tokana hotanterahin’ireo mpianatra manaraka fiofanana momba ny mpampivelona sy mpitsabo mpanampy eto amintsika. Nanambara ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Andriamanarivo Lalatiana fa misy ny azo hifampidinihina tsara ary mety hisy koa ny tsy azo hihoarana. Tokana anefa ny tanjona dia ny hahafahana mametraka fandaharam-pianarana mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka Malagasy manerana ny faritra 22. Mbola nanambara  ny CMR-PARAMED tamin’ny alalan’ny filohany Razanadrakoto Roland Albert izay sady filoha tale jeneralin’ny INSPNMAD fa manaiky ny fanatanterahana ny fanadinana nasionaly tokana hiraisan’ny mpianatra ho PARAMED manerana ny Nosy  izy ireo ny volana novambra taona 2017. Toraka izany koa ny fanarahana ny rafitra LMD  izay efa natombok’izy ireo hatramin’ny ela ho tombontsoan’ny mpianatra. Tafiditra ao anatin’izany ny IFIRP, ny holafitry ny mpampivelona sy ny mpitsabo mpanampy, ny sendikan’ny mpampivelona sy ny mpitsabo mpanampy …

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT