Tompon’andraikitra ambony maromaro eo anivon’ny Jirama no nifandimby voantso teny amin’ny “Villa la piscine” Ambohibao teny tamin’ny herinandro lasa iny
. Hatramin’ny tolakandron’ny sabotsy teo dia mbola nisy fampiantsoana ny sasany natao fanadihadiana. Mpitantana ny Jirama tamin’ny tetezamita ny sasany, fa mbola am-perinasa kosa ny ankamaroany. Raha fanodinkodinana vola manodidina ny resaka solika no anenjehana ny sasany dia fanararaotan’andraikitra ho amin’ny tombontsoa manokana ny an’ny hafa. Asa na fifanojoan-javatra ihany na efa ao anaty planina fa mitranga izao resaka Bianco izao taorian’ny nanendren’ny fanjakana filohan’ny filankevi-pitantanana vaovao sy taorian’ny nilazan’ny filohan’ny Repoblika fa hisy fanadihadiana hatao eo anivon’ny Jirama manoloana ny fidangan’ny fandaniana solika mihoapampana nefa ny delestazy vao mainka mampikaikaika ny mpanjifa. Mavesatra ity dosie Jirama ity, hoy ny loharanom-baovao. Mavesatra toy izany koa ny fahavoazana manjo ny orinasa, miteny ho azy ny delestazy mampikaikaika ny vahoaka manerana ny nosy. Hitohy hatraiza anefa ity fanadihadiana ity ? Handeha hiala sasatra rahateo manomboka anio Fitsarana, ary haharitra iray volana eo izany. Hatreto ihany koa tsy mbola nisy tompon’andraikitra voarohirohy re fa nametra-pialana amin’ny asany toy ny fahita any ivelany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.