Actualités

Fanodinkodinana fiara « 4x4 » folo Minisitra iray teo aloha voarohirohy


  • Talata 07 Mey 2019

Minisitra iray teo aloha mbola manana toerana ambony eto amin’ny firenena no manana dosie goavana eny amin’ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly na ny Bianco, raha ny fikaroham-baovao natao.

 

Voarohirohy amina raharaha volabe nivoaka tao amin’ny minisitera niadidiany izy io. Fividianana fiara tsy mataho-dalana miisa 10 marika Huyndai no niantombohan’ny raharaha. Natao ny kaomandy, ary naloa ny vidin’ireo fiara ireo. Efa navoakan’ny orinasa niandraikitra ny fividianana azy (Fournisseur) sy nanaovana fandraisana (réception). Nolazaina anefa avy eo fa tsy mifanaraka amin’ny fifanarahana (non conforme) ny 9 tamin’ireo fiara miisa 10 ireo. Tsy naverina tany amin’ny nividianana azy, fa namidin’ilay minisitra sy ny ekipany. Sady efa namoahana volam-panjakana izany izy ireo no mbola nahazoan’io minisitra io sy ny mpiray tsikombakomba aminy volabe. Ny minisitra nandimby toerana azy no nanao ny fitarainana sao hiandronan’ny rihitra noho ny famoahana volabe tao amin’ilay minisitera kanefa ny fitaovana nambara fa nandaniana azy tsy misy ao. Mbola olona tompon’andraikitra tao amin’ny mpanara-maso ny tsenan’asam-panjakana izay akaiky io minisitra io no nomena ny toerana ho Tale ara-bola ao amin’io minisitera io, izay karazana didy nalatsaka avy any ambony noho ny fananan’io minisitra teo aloha io toerana ambony ao anaty fanjakana hahafahany mbola mametraka ny dian-tanany. Raha ny angom-baovao natao hatrany dia dosie fanampiny avy any amin’ny mpanara-maso ara-bola na ny “contrôle financier” sisa andrasana dia hirefotra io dosie io. Ny 23 jona ho avy izao no ho tapitra tanteraka ny fe-potoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco Atoa Jean Louis Andriamifidy, ka mialoha ny hialany no mety hipoaka ny dosie goavana maromaro mahakasika mpanao politika na olona ambony eto amin’ny firenena. Tian’ny voarohirohy hampanginina mafy ny dosie, ka ho hita eo ny fahavakisany mialoha ny hahalasanan’io Tompon’andraikitra ambonin’ny Bianco io handraisany ny toerana hafa miandry azy satria voafidy ho mpikambana ao anatin'ny filankevitry ny fakan-kevitry ny Vondrona Afrikanina momba ny kolikoly ity Tale jeneralin'ny Bianco ity. Heverina fa hanao izay ho afany hametraka ny olony azony fehezina ny fanjakana ankehitriny mba hahafahana manarontsarona ny dosie maloto mahasaringotra olom-panjakana.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT