Actualités

Fanodinkodinam-bola 3 miliara ariary Voapaingotra ny “Trésorier Municipal” an’ny CUA


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Natolotra ny PAC na ny « Pôle Anti-Corruption » omaly ny raharaha fanodinkodinam-bola teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Sarona nandritra ny fitsirihana nataon’ny Mpitsirika ankapobeny ara-panjakana (IGE)

 

 ny fahabangam-bola mihoapampana nefa tsy voazava tao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Rehefa nandeha ny fanadihadiana, voalaza fa 150 tapitrisa Ariary no tsikaritr’ireo mpitsirika teo am-piandohana, herinandro lasa izay. Niitatra hatrany amin’ny 3 miliara Ariary ny vola banga, voahodinkodina teo anelanelan’ny taona 2019-2020 rehefa nohalalinina ny fitsirihana. Voapaingotra ny «Trésorier Municipal», izay raha ny lojika dia tsy toerana politika fa olona tendren’ny fanjakana tahaka ny delege. Araka ny loharanom-baovao dia niaiky io fanodinkodinana io ity farany. Efa niezaka nanentsina ny banga ihany izy saingy tsy feno ara-potoana, talohan’ny nahatongavan’ireo Mpitsirika ankapobeny ara-panjakana, raha ny loharanom-baovao hatrany. Raha nandray ny fahefana ny mpitantana ny Kaominina teo aloha notarihin-dRtoa Lalao Ravalomanana tamin’ny taona 2015, dia nilaza fa hatrany amin’ny 44 miliara ariary ny trosa sy fahabangana navelan’ny teo alohany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT