Nidina nijery ifotony ny olana sedrain’ireo fianakaviana miisa 300 mivelona ao amin’ny toby fanariana fako eny Andralanitra ny Ben’ny Tanŕnan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana omaly notronin’ny tale jeneralin’ny SAMVA sy ny solontenan’ny Mompera Pedro.
Noho ny hamaroan’ny fitarainan’ireo mponina eny an-toerana no anton’izany toy ny fofona, ny setroka izay miteraka tsy fahasalamana, indrindra fa ny ranom-potaka sy ny petsapetsa rehefa avy ny orana. Fantatra tamin’izany fa ireo fianakaviana mivelona amin’ny fakon’Andralanitra amin’izao fotoana izao ihany no mandoro ny fako mba itrandrahany ireo vy sy fitaovana maro ao an-toerana ary zezika azo havadika ho vola. Noho izany dia tsy maintsy handray fanapahan-kevitra ny roa tonta hisorohana izany toy ny tsy fahafahan’ireo olona mandoro sy mitrandraka ny fako miditra ao Andralanitra intsony izay hamoahan’ny kaominina didim-pitondrana mihitsy . Mbola hisy ny asa manara-penitra amin’ny fanodinana ny fako hotanterahina eto Antananarivo Renivohitra hoy ny Ben’ny tànana saingy mbola eo an-dalam-pikarakarana izany izy ireo ankehitriny. Na izany aza dia nomarihiny fa hisy ny vahaolana mikasika ny asa fitadiavana sahanin’ireo olona mpitrandraka sy mpandoro fako ao Andralanitra ireo izay tsy maintsy hoesorina eny an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.