Actualités

Fanodikodinana “vary simba” Tamban-jotra “Mictsl – Madarail – la Seal – Kobama – tranom-barotra”


  • Talata 23 Desambra 2014

Olona 07 no miandry fitsarana azy am-ponja izao vokatra ilay famoahana antsokosoko sy fanodikodinana “vary simba” 03 kaontenera tamin’ireo 05 niantsona naharitra tao amin’ny orinasa Mictsl.

Nahitana mpamily ilay kamiao niisa 03 nitaona ny entana, mpiasan’ny Mictsl iray nivoahan’ny kaontenera, mpiasan’ny La Seal nibata ny entana sy mpiasan’ny Madarail nitondra izany ary mpiasan’ny Kobama saika nampidirana nanafenana azy, iray avy. Tsy tafiditra tao anatin’izay kosa ireo “transitaires” nisahana ny antontan-taratasy, mpiasan’ny ladoany sy ny mpiasan’ny SGS misahana ny “scanner” nanao ny fanaraha-maso, ilay ramatoa (fantatra anarana ao Ambolomadinika) tompon’ny entana, ary ny tompon’andraikitra voalohany’ny Kobama Toamasina rahalahy na kandida filoham-pirenena farany teo. Raha ny fanazavana “marim-pototra” voaray na teo anivon’ny ladoany nanao ny fanadihadiana na ny polisy misahana ny resaka ara-barotra sy raharaha ekonomika Toamasina, dia tambajotra Mictsl – Madarail – La Seal – Kobama – ary ity tranombarotra iray ao Toamasina, ny raharaha kaontenera 3 nisy vary efa simba ity. Ny tanjona dia ny hanaparitahana ny entana eny amin’ny tsena aorian’ny fisivanana azy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT