Na ny alin’ny 24 desambra na nandritra ny fanompoam-pivavahana ny alakamisy 25 desambra nankalazana ny noely dia tena feno hipoka ny ankamaroan’ireo fiangonana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina
Maro ireo fiangonana tsy maintsy nametraka dabilio sy seza teny an-tokotany satria tsy omby intsony ny tao an-trano, feno olona hatrany ambony rihana sy tao amin’ny trano fisainana ho an’ny fiangonana maro, ary na ny nametrahana ny tongotra hamindrana aza tsy nisy intsony. Matetika moa dia ny antsam-panahy no nandravahana ny alin’ny 24 desambra niandrasana ny sasak’alina hanamarihana ny nahaterahan’i Jesoa Kristy mpamonjy. Hira sy dihy ary tantara an-tsehatra momba ny nahaterahan’ny mpamonjy sy ny fiainan’i Josefa sy Maria no hita tany amin’ny trano fiangonana maro, ary samy nanana ny fomba nanaovany ny rindran-tsehatra sy ny haingon-tsehatra ny isam-pitandremana. Omaly alakamisy kosa dia nangina ny teny an-tanàna fa nirohotra nankany am-piangonana ny olona, raha nanontaniana ny sasantsasany dia nilaza fa tena mangetaheta famonjena sy fanafahana tokoa izy ireo amin’izao andro sarotra iainan’ny firenena izao. Maro ny nanamafy ihany koa fa avy amin’Andriamanitra irery ihany izay efa nanao sorona ny zanany lahy tokana dia i Jesoa Kristy izany no hany hahazoana ny famonjena. Mampanontany tena ihany anefa hoe : maro dia maro ny antokom-pivavahana sy antokom-pinoana misy eto Madagasikara fa toa tsy mety tafavoaka ihany ny firenena ary vao miha ratsy ny fomba fanaon’ny olona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.