Actualités

Fankalazana ny fetim-pirenena Matso hafakely


  • Alakamisy 27 Jona 2019

Nankalaza ny fetin`ny fahaleovantena isika omaly alarobia 26 jona. Hafakely ny tamin`ity fa tsy tahaka ny isan-taona. Misy zavatra hita anefa toa misisika moramora eny an-tsefatsefany eny.

 

 

Tamin`ny roa ora tolakandro ny matso teo Mahamasina. Raha ny nahazatra dia ireo miaramila mandeha an-tongotra no tena nampiavaka ny matso lehibe rehefa fankalazana fetim-pirenena. Tamin`ity, ireo mandeha amin`ny fiara no tena misongadina. Fiara tsy mataho-dalana ny ankamaroany sady vaovao avy amin`ny fitondram-panjakana satria natao ho vaindohan-draharaha ny famerenana ny tsy fandriampahalemana eto amin`ny tany sy ny firenena. Naompana kokoa amin`ny ady amin`ny tsy fisian`ny fandriampahalemana ny matso omaly. Ireo fiara mifono vy natolotry ny filoha Rajoelina ho an`ny mpitandro filaminana no nandravaka ny matso.  2900 no mpandray anjara ka 2 000 mahery ireo mpandeha an-tongotra izay nahitana tafika avy amin`ireo firenena namana aty amin`ny ranomasimbe indianina : tafika frantsay avy amin`ny FAZSOI (Forces Armees de la Zone Sud de l`Ocean Indien) La Reunion, ny avy amin`ny firenena Maorisianina ary ny tafika Kaomorianina. Teo koa ireo fitaovana vaovao azon`ny Foloalindahy Malagasy nahitana angidimby 4, CSNA 5 ary fiaraminidina mpitatitra CASA 1. Manaraka izay, na teo amin`ny fanamiana sy ny firindran`ny matso dia nampiseho endrika fahavononana tanteraka amin`ny fampandriana tanteraka ny filaminana ny Foloalindahy amin`ny alalan`ny dia nohafainganina ny isany. Raha 90 dia  isa-minitra hatramin`izay ny fanaovana matso dia natao 100 tamin`ity. Teo ihany koa ny fampisehoan`ny Tafika Malagasy fa raha tao anatin`ny fotoana maro,  tsy nanana raoplanina dia nampiseho ny Tafika Malagasy, indrindra ny avy amin`ny RFI Malagasy tamin`ny alalan`ny fitsambikinan`ireo mpilatsaka elonaina miaraka ny sainam-pirenena teto amin`ny kianjan`i Mahamasina. Fa anisan`ny nampiavaka an`ity matso ity ny fandraisan`ny filoha Rajoelina fitenenana mialoha ny fisafoana andian-tafika. Tian`ny filoham-pirenena naseho ampahibemaso amin`ny vahoaka Malagasy fa vonona tanteraka ny Foloalindahy sy ny Tafika Malagasy hanatanteraka ny iraka izay famerenana ny fandriampahalemana. Ny azo ambara dia hain`ny mpitondra tokoa ny serasera ary tena tsapa izany, saingy efa manomboka hain`ny mpanara-baovao koa anefa ny amin`izay. Ny vahiny nasain`ny filoha Rajoelina manokana nanatrika ny lanonana ny filoham-pirenena Rwandais, Paul kagame. “Malagasy aho. Tia fandrosoana. Tia ny tanindrazako”… io  no lohahevitra nenti-mankalaza ny fetin`ny fahaleovantena.

 

Tsikaritra fa niova ny toeran`ireo mpanatrika ny matso teo amin`ny “tribune centrale”: ny filoham-pirenena roa tonta sy ireo vahiny nasaina indray no taty ambany saingy ireo ireo miaramila manamboninahitra no eny ambony. Marihina fa ny fandaminana avy amin`ny Fiadidiana ny Repoblika dia tsy misy idirany amin`ny fandaminana nataon`ny Tafika Malagasy.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT