Hevi-dehibe miisa sivy no nivoaka tetsy amin’ny Akademia Malagasy mba hameloma-maso sy hampitomboana hasina ny teny Malagasy eny anivon’ny governementa.
Anisan’izany ny famelomana ny komity momba ny fandikan-teny isaky ny minisitera sy ny orindraharaha samihafa izay hisahana ny fanefena voambolana, tenivao ampiasaina ao amin’ny sehatra iasany, ny fametrahana banky angona lehibe mirakitra ireo voambolana efa noraisina tamin’ny asa fandikan-teny rehetra efa nataon’ny minisitera tsirairay sy ny andrim-panjakana, indrindra izay navoaka tamin’ny Gazetim-panjakana, ny fanokafana toeram-panomanana mpandika teny matihanina sy ny fampidirana any an-tsekoly ho anisan’ny taranja ianarana ny fampiasana Rakibolana. Tsy ny fitaovana no tsy ampy, raha ny rakibolana no resahana fa efa misy ny sahaza ny ambaratongam-pibeazana rehetra. Ny faran’ny herinandro teo moa no tonga nanatrika tamin’ny fomba ofisialy ny famaranana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny dikan-teny ny praiminisitra Ravelonarivo Jean , izay nampanantena fandraisana andraikitra amin’ny fampitomboana hasina ny teny malagasy. Ramatoa Ratsimandrava Juliette Tale Jeneralin’ny Foibe Momba ny Teny an’ny Akademia dia nilaza fa manan-danja, antoka iray amin’ny fampandrosoana ny firenena ny dika teny. Ny teny, hoy izy, dia fitaovana mampitohy ny lasa sy ny ankehitriny ary ny dika teny dia tetezana mampifandray ny kolontsaina amin’ny tenin’ny tena mankany amin’ny tenin’ny
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.