Actualités

Fankalazana ny 8 martsa Mifaninana ireo mpanolotsain’i Voahangy R.


  • Alatsinainy 06 Martsa 2017

Hanamarika ity herinandro vao miandoha ity ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, izay marihina isan-taona isaky ny 8 martsa. Somebiseby ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony.

Ny tsikaritra aza dia mifaninana mihitsy ireo manana fifandraisana akaiky amin’ny vadin’ny filoham-pirenena hitarika delegasiona vehivavy betsaka hameno ny kianjan’i Mahamasina, izay toerana hanatanterahana ny lanonana ofisialy ny alarobia izao. Ho an’i Vangaindrano izao dia miisa 150 ny vehivavy nihazo an’Antananarivo ho amin’io 8 martsa io. Vadina Senatera HVM sady mpanolotsain’i Voahangy Rajaonarimampianina no mpitarika ka tsy mahagaga, hoy ny any an-toerana. Misimisy ny enti-manana ara-bola, ampy nanohanana tetikasan’ny fikambanam-behivavy tany an-toerana, mba ho tanteraka tokoa ilay hoe : “Vehivavy mizaka tena ara-toekarena”, lohahevitry ny fankalazana ny 8 martsa amin’ity taona ity. Noho ny antony ara-bola anefa dia 27 ihany ny solontenan’i Farafangana, izay samy ao anatin’ny faritra Atsimo Atsinanana.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT