Antomotra ny fankalazana ny fetin’ny vehivavy izay hankalazaina isaky ny 8 martsa. Ho an’ny eto Madagasikara dia mandray anjara mavitrika amin’izany ny minisiteran’ny mponina, sampandraharaharam-panjakana tarihina vehivavy amin’ny alalan’ny minisitra Onitiana Realy.
Eto Antananarivo no ivon’ny fankalazana ary nanamarika ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity minisitera ity, fa nandeha tamin’ny an-tsakany sy an-davany avokoa ny dingana rehetra toy ny fangatahana alalana amin’ny toerana sy ny hetsika isan-karazany hanamarihana ny fetin’ny vehivavy, izay eny Mahamasina ny ivony amin’ity taona ity. Nandefasana fanasana avokoa ireo vadina filoham-pirenena nifanesy teto amin’ny firenena izay ahitana an-dRamatoa Celine Ratsiraka, Thérése Zafy, Lalao Ravalomanana, Mialy Rajoelina, ary i Voahangy Rajaonarimampianina, izay reny mpiahy ny hetsika amin’ny maha vadin’ny filoham-pirenena am-perinasa azy. Midika izany fa misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika saingy fanasana ihany ny an'ny minisiteran'ny mponina fa ny tsirairay avy dia mety samy hanana ny fandaharam-potoanany satria mety efa samy nanomana ny hetsika hoenti-manamarika ny andron’ny 8 martsa avokoa ireo vadina filoha teto amin’ny firenena ireo. Ho hita eo moa rehefa tonga tokoa io daty io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.