Actualités

Fankalazana ny 8 marsa Naresaka tao Mahajanga


  • Alakamisy 09 Martsa 2017

Nanamarika ny fankalazana ny Andron' ny vehivavy ny tany amin'ny faritra Boeny na dia nandeha aza ny resaka sy fisalasalana ny amin'ny mety hanajanonana izany noho ny toetry ny andro sy ny toe-draharaha miseho eto amin' ny firenena manjo ny mpiray tanindrazana.

  Naresaka ny fankalazana izay nahavoriana vehivavy an'arivony avy amin' ny faritra Boeny sy ny manodidina izay efa tonga nialoha tao Mahajanga. Fikambanana niisa 119 no nandray anjara tamin' ny diabe niainga teny amin' ny Jardin Cayla nihazo ny Tranoben' ny kolontsaina, nampiseho ny mampiavaka ny vehivavy avy amin' ny faritra tsirairay izay nihaviany avy tamin' ny alalan' ny fomba fitafy. Nisy ihany koa ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana nitondrana am-bavaka ny vehivavy rehetra. Ho an'i Mahajanga, hetsika maro no efa nanombohana ity fankalazana ny 8 marsa ity izay nifanindran-dalana rahateo tamin' ny fanamarihana ny faha-35 taona nijoroan' ny fikambanana miahy ny vehivavy ao an-toerana na ny KB8M. « Vehivavy mahefa, Antoky ny fampandrosoana », io no lohahevitra ho an' ity taona 2017 ity izay entina hivoizana fa mahefa, manana ny mahaizy azy, afaka miasa sy misongadina ny vehivavy raha voahaja sy tsy voatohintohina ny zony.

 

Vahaniaina

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT