Actualités

Fanjakana sy ny sekoly tsy miankina Mbola mpiara-miombona antoka ihany ve ?


  • Alakamisy 28 Janoary 2016

Hatramin’ny fitondran`i Didier Ratsiraka dia nahazo fanampiana (subvention) hatrany, isan-taona, ny sekoly tsy miankina ary koa ny mpampianatra ao aminy.

 


Tamin’ny fitondran`i Marc Ravalomanana dia vao mainka nihamafy ny fifamatorana sy fiaraha-miombon`antoka teo amin’ny fanjakana sy ny sekoly tsy miankina raha resaka fanabeazana no resahina. Tena nahazo tohana sy fanampiana ny sekoly tsy miankina satria niaiky ny fanjakana tamin`izany fa tsy vitany samy irery ny fanabeazana. Nahazo fanampiana tamin’ny alalan`ny FAF ny sekoly ambaratonga voalohany rehetra ary nanana anjara lehibe ny FRAM tamin`izany. Nahazo aron`akanjo sy fitaovam-pianarana ary kitapo ny mpianatry ny fanabeazana fototra rehetra. Nomena “subvention” isan-taona ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina rehetra.

Tamin’ny tetezamita dia mbola nahazo izany ny mpampianatry ny tsy miankina saingy izao dia re araka ny tsilian-tsofina fa toa tsy hahazo izany intsony ny mpampianatry ny sekoly tsy miankina manomboka amin`ity taona ity.

 Feo iniana aely ve mba hanaovana “sondage” na fitsapan-kevitra izany, ka rehefa tsy mitaky na tsy mihetsika ireo sendikan`ny sekoly tsy miankina dia tena hotanterahin`ny fanjakana tokoa ny fikasany ?

Ankoatr`izany ny fanangonam-bola amin`ny fanadinana dia tsy mitsaha-misondrotra : ohatra ny Bacc dia lasa 15.000 Ariary ny sara aloan`ny mpiadina. Ny BEPC koa dia lasa andoavam-bola 15.000 Ariary ary dia hakana vola daholo izay zavatra ataon`ny Cisco rehetra mahakasika ny fanadinana sy ny “examen blanc”.

 Koa mipetraka ny fanontaniana hoe mbola mpiara-miombona antoka ve ny fanjakana sy ny tsy minkina eo amin’ny sehatry ny fampianarana sa efa tena tsy ilain`ny fanjakana intsony ny tsy miankina ka dia anaovany toeran-tsy zaka ?

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT