Tsikaritra ny ady mangatsiaka eo amin’ny fanjakana sy ny mpitsara amin’izao fotoana izao, ary manomboka vaky ambatolampy.
Niainga tany amin’ny resaka famoahana an’i Hajanirina Manantena Dina, izay voarohirohy tamin’ny resaka fakana an-keriny, saingy navotsotry ny mpitsara. Ny minisitry ny fitsarana Jacques Randrianasolo sy ny praiminisitra Ntsay Christian dia karazan’ny efa nanome toromarika amin’ny tsy tokony hamoahana azy, nialoha ny famotsorana ny 25 martsa lasa teo, raha ny fanambarana efa nataon’io minisitra io. Naaton’ny fanjakana moa ireo mpitsara miisa 4 namoaka ny didy tsy azo ivalozana nanome fahafahana ity kandida depiote mpisolo toerana any Ifanadiana ity. Tsy nanaiky lembenana izy ireo fa nampiakatra ny raharaha any amin’ny filankevi-panjakana. Raharaha hafa ihany koa ny mahakasika ireo mpiasan’ny fananan-tany miisa 4 izay nadoboka any am-ponja ka ny 3 dia mahakasika ny famarotana ny Villa Elisabeth, ary ny 1 kosa mahakasika ny zaridainan’Antaninarenina. Tsiahivina fa anisany ny Tale jeneralin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany teo aloha Atoa Hasimpirenena Rasolomampionona, izay kandida ho depiote amin’ny anaran’ny Isika Rehetra miaraka amin-dRajoelina na ny IRD any Fandriana. Nanenjana nitaky ny famoahana azy ireo izay ambara fa mpanatanteraka baiko fotsiny ny mpiasan’ny fananan-tany satria amin’izy ireo dia tokony hitovy ireo voakasika eo anatrehan’ny raharaha fa tsy hoe : avela fotsiny any ny minisitra nanasonia ny taratasy fifampivarotana. Ireny efa niaraha-nahalala ireny ny nambaran’Atoa Reboza Julien, izay toa mbola miantehitra mafy amin’ny fitarazohana sy fahasarotan’ny dingana arahina vao afaka manenjika azy ny Fitsarana ambony na ny HCJ amin’ny maha minisitra azy. Niato ny fampikatsoan’ny mpiasan’ny fananan-tany ny asany satria mandeha ny fifampidinihana sy ny fifampiresahana. Havoaka ve izany ireo voarohirohy ? Asaina miverina amin’ny fanapahan-keviny ve izany ny fitsarana ? Aiza ho aiza ny resaka fahaleovantenan’ny fitsarana ? Raha ny efa nambaran’ny minisitry ny Fitsarana Jacques Randrianasolo dia zon’ny mpiasan’ny fananan-tany tokoa ny manao fitokonana, ary tahaka izany ihany koa ireo mpitsara naato, saingy niziriziry ny tenany fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna. Hahatohitra ny mety ho baiko mety hilatsaka ve mba hisorohana ny fikatsoan’ny fampihodinana ny raharaham-panjakana eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany ? Toa mampahatsiahy ny raharaha nahafaty ny mpitsara Rehavana Michel ny desambra 2011 tany Toliara ny zava-misy, izay ny polisy no niditra an-tsehatra namoaka ny namany voarohirohy tamina afera maloto. Toa mitady hifoha ny tahaka ireny. Misavorovoro sy tsy milamina intsony ny raharaha ka valalanina ny maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.