Nihemotra tamin’ny didy efa navoakany ny eo anivon’ny Prefektioran’Antananarivo tarihin’ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian
manoloana ny fandrarana ny famarotana sy fanapoahana ireny tsipoapoaka ireny mandritra izao fankalazana ny fetim-pirenena izao. Taorian’ny fivorian’ny mpitandro filaminana ao anatin’ny OMC (Organe mixte de conception) notarihiny, dia nivoaka ny fanambarana fa azo amidy tsara sy azo apoaka indray ny tsipoapoaka. Tsy azo atao anefa izany ho an’ny toerana be olona, akaiky hopitaly, akaiky fianarana, tobin-tsolika, tranom-panjakana, fiangonana,… Nambara moa fa vao mainka mety hitera-doza amin’ny toerana hanatobiana na hitehirizana azy ny tsipoapoaka. Raha nieritreritra ny tena hisoroka ny olona aterany ny fanjakana, dia tany amin’ny fanafarana azy avy any ivelany mihitsy dia efa nanao fandrarana, izay nahafaha-nisoroka ny fanapahan-kevitra mandroso mihemotra tahaka izao.Prefe mira fanjakana, midika izany fa nihemotra tamin’ny fanahan-keviny ny fitondram-panjakana satria tsy hanapa-kevitra samirery izany mihitsy ingahy prefe ; moa va tsy miha miseho sy voaporofo isan’andro ny tsy fahamatorana amin’ny fitantanana ny firenena !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.