Ny taona 1993 no nisy fanisam-bahoaka farany teto Madagasikara. Nisaina tamin’izany ireo mponina sy ny toeram-ponenany.
Raha ny tokony ho izy dia isaky ny 10 taona no hisian’ny fanisana. Raha ny fanazavan’ny Tale jeneraly vonjimaikan’ny INSTAT dia antony tsy nahatontosa izany ny tsy fisian’ny fitoniana matetika vokatr’ireo krizy nifanesy teto amin’ny firenena. Manampy trotraka ihany koa ny tsy fahampiana fitaovana sy vola eo anivon’ity sampana ity. Notokanana omaly tetsy amin’ny INSTAT etsy Anosy ny fitaovana toy ny solosaina maromaro sy bisikileta ahafahana mifamezivezy hanaovana izay fanisam-bahoaka izay. Ahafahana manafaingana sy manatsara ny asa fanisam-bahoaka tokoa ve ireo ?
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.