Tamin’ny taona 1993 no nisian’ny fanisam-bahoaka farany teto Madagasikara. Noeritreretina ny hanavao izany tamin’ny taona 2009 saingy tsy tontosa io vinavinan’ny fitondrana Ravalomanana io noho ny fanonganam-panjakana niseho teto amin’ny firenena
Tsy misy antony mazava kosa ny tsy nahavita azy io tao anatin’ny 5 taona, hoy ny Tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny Antontanisa Ravelomanantsoa Gérard. Am-pamaranana ny antontan-taratasy mikasika ity fanisana ankapobeny ny mponina manerana ny Nosy ity ankehitriny ireo mpiara-miasa ao amin’ny Ivontoerana. Haroso tsy ho ela hankatoavin’ny governemanta izany ahafahana mitady ny famatsiam-bola 40 tapitrisa dolara mahery hanatanterahana ny asa. Ny fivoahan’ny dosie avy amin’ny fitondrana malagasy sisa no andrasan’ireo mpiara-miombon’antoka. Efa vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny famatsiam-bola ity tetikasa goavana fototry ny fampandrosoana ny fiarahamonina eto Madagasikara ity moa ireto farany. Finiavana lehibe ihany koa ny ezaka fanapariahana ireo manampahaizana mpikirakira ny tarehimarika amin’ireo faritra 22, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra voalohan’ny Instat.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.