Efa tamin’ny taona 1993 no nisy fanisam-bahoaka farany teto Madagasikara.
Tokony ho nisy ny taona 2013 teo, hoy ny tale jeneralin’ny ivontoerana fanisam-bahoaka na INSTAT saingy amin’ity taona ity indray vao irosoana izany. Natomboka omaly ary ny fanisam-bahoaka andrana izay hifarana amin’ny 31 oktobra ho avy izao. Tao amin’iny fokontanin’Ampandrana andrefana iny no nanombohana azy, hotohizana amina fokontany 11 hafa ao amin’ny boriborintany faha-3, raha ny fanazavan’ny filoham-pokontanin’Ampandrana atsinanana, mialoha ny hitetezana ny faritra Analamanga iray manontolo, Sambava, Androy ary Atsimo andrefana. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa nitombo 100 ny isan’ny mponina ao Ampandrana. Raha 4200 tamin’ny taon-dasa dia lasa 4 300 kosa tamin’ity taona ity. Somary tampoka ho an’ny mponina teny an-toerana ihany moa ity fanisam-bahoaka ity. Ny taona 2017 moa no hanomboka ny fanisam-bahoaka manerana ny nosy ka 32 tapitrisa dolara no tetibola ilaina amin’izany.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.