Actualités

Fangoronan-tany ataon’ny Karana Hodian'ny tompon'andraiki-panjakana fanina fotsiny


  • Alarobia 26 Novambra 2014

Tena mizahozaho mihitsy ny teratany karana iray malaza eto an-drenivohitra amin'ny fangoronan-tanin'olona ataony ary tsy ny Malagasy ihany no hanaovany izany fa ny teratany karana mitovy aminy koa aza dia manomboka mitondra faisana araka ny nambaran'ireo gazety sasantsasany miseho isan'andro eto amintsika tsy ela akory izay.

Tsy mba tany kelikely intsony ny resaka eto fa efa tany amina hekitara maromaro mihitsy. Dia mahavelom-panontaniana ny maro ny hoe : aiza ho aiza ny fitondram-panjakana mahefa mikasika ity olan-tany miteraka disadisa lava eto amin'ny firenena ity ? Ary toa mody fanina tahaka azy ireo koa ireo depiote ankehitriny ? Toa tsy mba misy mihitsy tolo-dalàna aroson'izy ireo mba hiarovana ny mpandova sy tompon-tany malagasy amin'ny hetraketraka ataon'ireo karana mpanambola ireo ! Mampiteny ny anarany tokoa ity mpandraharaha karana malaza ity ary tena  tsara mpiantoka manana ny vonona, ka tsy matahotra izay hiseho, fa hatreto dia fantatra fa mahay sady mahafantatra tsara ny mahakasika ny lalàna amin'ny fiarovana ny olona arovany ny mpiaro azy, ka mahatonga azy sahy mifanandrina amin'ny valalabemandry sy ny namany tahaka izao. Tsy fankahalana vahiny sanatria no atao etoana fa fampisaintsainana ny manampahefana sy tompon'andraikitra isan-tokony manoloana an'izao fahantram-bahoaka efa latsaka lalina izao. Mba ho aiza marina Ra Malagasy tompon-tany any aoriana ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT