Nodiana adala sy toa nezahina natao izay tsy hahatontosa ny fandinihana sy ny fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny harena azo tamin’ny fomba maloto na ny “avoirs illicites”
sy ny famatsiam-bola amin’ny resaka asa fampihorohoroana, izay nihantona tanteraka satria rava rahateo ny antenimieram-pirenena. Sokajiana ho nanana ny maro an’isa afaka nanao izay hirosoana tamin’ny fijerena ireo volavolan-dalàna roa ireo ny depiote avy amin’ny MAPAR izay izy ireo rahateo no azo sokajiana ho maro an’isa afaka nanendry ny praiminisitra. Mbola nanana ny fahefana feno hampanan-kery ireny lalàna ireny ny filoham-pirenena, rehefa lany teny anivon’ny antenimiera nialoha ny naharavany ny fanomezana izay fahefana feno izay noho ny fahabangan-toeran’io andrim-panjakana mpanao lalàna io. Nahoana no tsy sahy na tsy niraika tamin’io resaka lalàna mikasika ny fanenjehana ireo mety ho voarohirohy amina harena azo tamin’ny fomba maizina io na koa ny resaka famatsiam-bola momba ny asa fampihorohoroana ny Filoha sy ny ekipany ? Tany amin’ny fandravana ny Antenimierandoholona no tena novoizina fa mandany vola. Raha dinihina sy hampiharina ireo lalàna ireo, dia azo antoka ny volabe hiditra amin’ny kitapombolam-panjakana. Resahina ny resaka mangarahara sy finiavana hiady amin’ny kolikoly saingy toa mody nikipiana ireo volavolan-dalàna roa izay sokajiana ho dingana hahafaha-miady amin’io kolikoly io. Misy antony goavana tsy nampandaniana an’ireo lalàna ireo satria ahiana voasaringotra sy voapaingotra ny mpitondra ankehitriny, ka tsy hanome bala hitifirana azy. Tamin’ireny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoha ireny rahateo, ohatra, no efa nalaza sy novoizin’ny haino aman-jery samihafa ny hoe : nampiasa volabe 182 tapitrisa Euros ny kandida Andry Rajoelina tamin’izany. Toa nanamafy io ihany koa ny tatitra savaranonandro nataon’ny mpanara-mason’ny Vondrona Eoropeanina tamin’izany fotoana fa nizara vola tamina toerana maro io filoha ankehitriny io tamin’ny Propagandy. Mety ho antony tsy hamoahana an-dry Pety Rakotoniaina any am-ponja, izay nitory ny Filoha ankehitriny noho ny harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Ny fitoriana teny anivon’ny Fitsarana ambony (HCJ) momba ny dosie boaderozy ihany koa tsy nisy tohiny intsony noho ny antony samihafa. Raha ny resaka ady amin’ny kolikoly, dia laharana faha-84 i Madagasikara tamin’ny taona 2008, ary nivarina 127 taty amin’ny fiafaran’ny tetezamita, raha toa ka faha-152 ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.