Actualités

Fangatahana “visa” mankany Frantsa Hisy fiovana ny fikarakarana


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Firenena be mpisafidy ivahinianana i Frantsa noho izy manankarena amin’ny fahasamihafana, indrindra ho an`ny kaontinanta Afrikanina.

 

 

 

Anisan`ny firenena sarotra sy manahirana kosa rehefa hangatahana fahazoan-dalana (visa) miditra ao aminy hahafahana mivezivezy malalaka sy ara-dalàna ao amin'ny faritany Frantsay ho toy ny firenena vahiny. Ny dingana tokony horaisina dia miankina amin'ny toe-javatra misy azy sy ny maha firenena azy satria vitsy no nahazo fahazoana taratasy tamin`ny taon-dasa. Raha tsy ampy ny antontan-taratasy dia mbola hanaovana fanadihadiana lavabe vao mety ho voaray ny fangatahana. Tsiahivina fa orinasa tsy miankina iray no nandray an-tanana ny fandrindrana ny fangatahana fahazoan-dalana. Tsy mifandray mivantana amin’ny masoivohon’i Frantsa intsony anefa ireo nikarakara. Ny fandaminana hatramin`izay dia aterina any amin’ilay orinasa tsy miankina ny antontan-taratasy rehetra. Amin`izao kosa, manao fanoratana anarana amin’ny tranonkalan’ny masoivoho. Rehefa vita izay dingana izay vao manatitra ny antontan-taratasy fangatahana eny amin’ilay orinasa tsy miankina eny Ankorondrano. Hanomboka ny 01 febroary ity lamina vaovao ity. Aorain`izay dia tsy horaisina intsony ny antontan-taratasy ahitana ilay « formulaire » toy ny teo aloha. Hita amin’ny tranonkala https://france-visas.gouv.fr/ kosa ny andinindinin’izany.

 

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT