Manana 15 andro ireo antoko na fikambanana tsy afa-po tamin’ny voka-pifidianana kaominaly ofisialy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana hangataka fandravana ny didim-pitsarana eny anivon’ny Filankevi-panjakana. Ho tapitra amin’ity herinandro ity na ny marimarina kokoa ny sabotsy 2 oktobra 2015 izao io fe-potoana io miainga avy amin’ny datin’ny 18 septambra lasa teo.
Mahatratra hatrany amin’ny 600 ireo antontan-taratasy fangatahana fandravana didim-pitsarana voarain’ny fitsarana mikirakira ny ady amin’ny fanjakana na ireo tribonaly ambaratonga voalohany isam-paritra, raha ny tarehimarika heno ny faran’ny herinandro teo. Avy amin’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara sy ny Vovonana Miaraka Amin’ny Prezidà Andry Rajoelina avokoa moa ny ankamaroan’ireo antontan-taratasy ireo. Manana telo volana kosa ny Filankevi-panjakana hany fitsarana tokana mahefa handinihana sy hamoahana ireo didim-pitsarana taorian’ny fangatahana handravana azy ireo. Midika ho ben’ny tanàna vaovao ny fankatoavana fandravana didy avy amin’ity fitsarana mpanapa-kevitra farany ity nefa mety hitranga ihany koa ny didy famerenana fifidianana any amin’ireo kaominina nahitana tsy fanarahan-dalàna.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.