Actualités

Fangalarana harem-pirenena Ho hentitra manomboka eto ny fampiharana ny sazy


  • Alakamisy 15 Oktobra 2015

Ho henjana ny fampiharana ny sazy ho an’ireo tratra mangalatra ny harem-pirenena manomboka eto, hoy ny praiminisitra Jean Ravelonarivo, fa hisy ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Afrikanina Tatsimo sy ny Amerikanina amin’izany ary tsy hanavahana saranga na sokajin’olona izany sady tsy hisy indrafo, fa izay tra-tehaka dia hiharan’ny sazy sy famaizana avokoa.

 

 Nambaran’ny praiminisitra malagasy fa mbola haverina holaniana eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna mikasika ny fandrarana tsy ahafahana manondrana harem-pirenena an-tsokosoko. Ny harem-pirenena moa, araka ny voalazany, dia ireo harena ankibon’ny tany samihafa, ireo harena natoraly isan-karazany na an-tanety na an-dranomasina ary ireo taolam-paty angalarin’ny olona avy any anaty fasana.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT