Anisan’ny nahazo vahana tao Mahajanga ny halatra entana ao anatin’ny fiara ary efa maro no efa tratra. Tovolahy tsy ampy taona no tena matetika mpanao an’io asa ratsy io. Fiara iray ana teratany karana no lasibatr’ireo jiolahy ny 15 janoary teo teny amin’ny tranombarotra Concorde Mahabibo tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro teo ary nahaverezana vola mitentina 15 000. 000 ariary sy finday ary antontan-taratasy maro samihafa
Nametraka fitarainana teny amin’ny mpitandro ny filaminana ilay tompon’ny fiara ka taorian’ny fotoana nikarohana ireo jiolahy dia sarona ny iray tao amin’ny fokontany Tsararano Anosikely. Io no nitarika ny fahazoana ny namany hafa. Manodidina 16 taona ka hatramin’ny 27 taona izy ireo. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny polisy dia efa tambajotra kely mihitsy ireo mpanao asa fanafihana fiara ireo io ary tsenabe efatra ao Mahajanga dia efa ahitana azy ireo matetika. Efa eny am-pelatanan’ny fitsarana moa ny raharaha ankehitriny
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.