Actualités

Fanevatevana mpitandro ny filaminana Voasazy i Fanirisoa Ernaivo


  • Zoma 02 Novambra 2018

Namoaka fanambarana ny avy eo anivon’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara ny alarobia teo fa teny diso toerana no nataon’ny mpitsara am-perinasa sady kandida ho filoham-pi

 

 

renena, Fanirisoa Ernaivo teo Mahamasina ny talata 30 oktobra teo mikasika ny tranga niseho tany Fenoarivo Atsinanana namoizana aina polisy miisa 3; namoaka teny henjana nanakiana mafy ny polisy miaramila ary zandary ary narahana ozona mihitsy nandritra ny kabariny teny Mahamasina ity kandida ity. Notsiahivin’ny filankevitra fa famonoan’olona no nitranga ary nolazaina fa “fitsaram-bahoaka”. Nanamafy ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny maty ny filankevitra ary nanambara fa manameloka marindrano ireny teny izay tsy niombonan’ity kandida ity tamin’izy ireo ireny. Mifanohitra amin’ny soatoavina Malagasy sy ny zon’olombelona, hoy ireto mpitsara ireto, ireny ary mandika ny fitsipika ara deontolojikan’ny mpitsara ihany koa. Nilaza ity filankevitra ity fa handray ny andraikitra tandrify izao tranga izao ho fampanajana ny lalàna manan-kery. Nanohana ity fanambarana ity ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana ary nanamafy fa tsy misy ny ambony lalàna ka izy ireo koa dia handray fepetra. Nohamafisin’ny minisitera ihany koa ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny  mpitandro ny filaminana amin’ny fanatontosana raharaham-pitsarana. Nilatsaka ary ny didy fa miato amin’ny asa maha mpitsara azy ary tsy mahazo karama isam-bolana intsony afa-tsy ny tambin-karama mahakasika ny fianakaviany Rtoa Fanirisoa Ernaivo. Ho fantatra ato anatin’ny enim-bolana iizay tena hiafarany. Tetsy an-kilany, naneho ny fialan-tsininy ihany koa ny kandida voakasiky ny raharaha ary nanitsy fa ny tiany holazaina dia hoe aoka hatsahatra amin’izay ny fampiasana ny mpitandro ny filaminana ho hery famoretana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT