Actualités

Fanesorana ny Talen’ny HJRA Tezitra ny mpiasa, fanina ny Rotary Club


  • Sabotsy 19 Martsa 2016

Tampoka tamin’ny mpitsabo sy ny mpandraharaha ao amin’ny CHU HJRA Ampefiloha ny fanesorana ny Talen’ity hopitaly ity, Pr Razafimahandry Jean Claude.

 

 Fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny Alarobia teo no nanesorana azy. Ny fitantanana ny vaovao manodidina ny tsy fahasalaman’ny minisitry ny Atitany, Mahafaly Solonandrasana Olivier notsaboina tao no tsy azoazon’ny teny Iavoloha ka nitarika ny fanesorana azy. Ny fanazavany milaza fa nalalaka ny famangiana an’ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity no tsy azoazon’ny teny an-dapa. Mpikambana ao amin’ny kabinetran’ny praiminisitra ihany koa moa ity Talen’ny HJRA ity, ka toa vao mainka nanafaingana ny fanilihana azy. Raisin’ny mpiasa sy ny mpitsabo ao amin’ity toera-pitsaboana lehibe indrindra eto Madagasikara ity ho fanapahan-kevitra politika izao fanesorana tampoka ny Talen’ny HJRA izao, ka mahatezitra azy ireo. Feno fisalasalana ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka amin’ity hopitaly ity, indrindra amin’izao fotoana isian’ny tetikasam-pampandrosoana tanterahina eo anivon’ity hopitaly ity. Ny mampametra-panontaniana ny maro ihany koa dia ny hoe tsy nahavita niaro an’ity tale izay iray andiany aminy ity ve ny minisitry ny fahasalamana Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana nandritra ny filankevitry ny minisitra sa iharan’ny tsindry ary koa matahotra ny sezany, nefa mba samy mambra ny “Rotary Club” miaraka tamin’ny filoha sy ny praiminisitra am-perinasa ihany. Raha ny loharanom-baovao aza dia handray fitantanana ny sampana iray amin’ity fikambanana mpanao asa soa ity ny Pr Razafimahandry Jean Claude ato ho ato, ka eo no mahafanina ny mpikambana Rotary manoloana izao zava-mitranga izao.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT