Actualités

Fanesorana 4’Mi Fianakaviana 96 nanaiky hifindra eny Ambodin’Isotry


  • Alatsinainy 08 Febroary 2016

Manomboka ny fanesorana ireo « 4’Mi » matoritory sy manorinorin-trano tsizarazary eny rehetra eny, ary matetika fototry ny asan-jiolahy toy ny sinto-mahery sy fanendahana ao afovoan-tanŕnan’Antananarivo.

 

 Nisantatra ny famindran-toerana azy ireo ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, taorian’ny fanisana sy fandresen-dahatra nataony. Fianakaviana miisa 96 amin’ireo 379, natory teny anaty tonelina Ambohidahy sy Ambanidia ary koa teny ambany tetezana Behoririka, no nanaiky ny hifindra. Ny alin’ny sabotsy teo no nitaomana azy ireo, ka natoby vonjimaika etsy amin’ny tranobe ex-Madcap Ambodin’Isotry. Hapetraka ao amin’ny SEBA ny manaraka. Telo ka hatramin’ny enim-bolana raha ela indrindra no haharetan’ny fotoana hijanonan’izy ireo ao, mandra-pahavonon’ny toerana toa an’Andranofeno hamindrana azy ireo ankoatra izay manaiky hiverina any an-tanindrazany miaraka amin’ny vatsy. Hiditra an-tsehatra ihany koa ny kaominina Antananarivo Renivohitra anio, ka ireo nanorin-trano tsizarizary, indrindra fa ny amin’ny toerana mampidi-doza toy ny etsy ambanin’ny Jirama Faravohitra no himasoany amin’izany, hamerenana tsikelikely an’Antananarivo endrika mendrika ny maha renivohitr’i Madagasikara azy.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT