Actualités

Fanenjehana mpanao gazety mialoha ny fiavian’ny Papa Manahy ny mpitsara iraisampirenena


  • Talata 03 Septambra 2019

Fanontaniana mipetraka dia ny hoe inona no teti-dratsy na « mauvaise intention » tadiavin’ireo mpanao gazety atao, hoy ny mpitsara iraisampirenena,

Arlette Ramaroson, raha nanontaniana ny heviny mikasika ny antony hitazomana sy nampiantsoana ho eny amin’ny borigady misahana ny heloka bevava eny Anosy ireo mpanao gazety nitati-baovao momba ilay resaka angidimby nihaodihaody teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny faran’ny herinandro teo. Raha tsy nisy izay dia tokony havoaka ireo mpanao gazety nanao ny asany. Tsy vitan’ny resaka fanitsiana amin’ny alalan’ny “démenti” ve, hoy izy, io resaka io fa tsy maintsy hasarotina tahaka io ? Ho sosotra amin’io zava-mitranga io ny olona kanefa ny Papa ho avy ary tokony hila filaminana. Ho gaga eo daholo ny any ivelany rehetra, hoy hatrany ity mpahay lalàna ity. Tokony havoaka daholo mihitsy izay voakasik’io raharaha io rehetra. Hisy fiantraikany amin’ny fivahinianan’ny Papa raha tsy milamina amin’io ny saim-bahoaka kanefa sady tsy “crime” no tsy “délit” ihany koa, hoy hatrany ny fanazavany, ilay zava-nitranga tokony ho vitana “démenti”.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT