Nandraisana fepetra tsy mahazo mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na IST ny filohan’ny Federasiona Malagasy ho an’ny taranja baolina kitra (FMF) Atoa Arizaka Rabekoto Raoul.
Izay no voalaza fa antony tsy nandehanany nanatrika ny antsapaka momba ny fizarana isam-bondrona amin’ny fifanintsanana aty Afrika hiakarana amin’ny “Mondial Qautar 2022” natao tany Le Caire renivohitr’i Egypta ny 21 janoary teo. Tsy afaka nankany Rabat Maroc ihany koa ny 27 janoary raha tokony hanatrika ny fivoriambe eo anivon’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra. Voalaza fa misy dia saika haleha tany Frantsa, saingy tsy afa-niala teto. Resaka mombana volabe nivoaka tao amin'ny CNaPS fony izy Tale jeneraly no hanaovana fanadihadiana ka namoahana ilay IST aloha, sao mantsy sanatria mivoaka any ivelany dia manao sambo milentika, hoy ny loharanom-baovao iray. Efa fomba fiasa mahazatra io, ary maro ny olona nitana andraikitra ambony no tratran'io teto amin’ny firenena. Raha io famoaham-bola io marina no olana dia tsy ny Tale jeneraly Raoul Arizaka Rabekoto irery fa tokony hanaovana fanadihadiana ihany koa ny minisiteran'ny vola, ny minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy izay mpiahy ny CNaPS. Raha ny tokony ho izy, dia atao fanadihadiana ihany koa ny filankevi-pitantanan'ny CNaPS izay tokony hahalala ny zava-drehetra, ary tsy olona iray no mandrafitra izany fa maro, ary miara-manapa-kevitra. Miandry ny ho tohiny ny rehetra satria vola an-jatony miliara ariary no kirakirain'ny CNaPS. Ny filoham-pirenena aza efa nilaza fa ao no haka 300 miliara ariary hanaovana ny tetikasa Tanamasoandro. Ny volana desambra 2018, raha tsiahivina fony Atoa Arizaka Rabekoto Raoul mbola Tale jeneralin’ny CNaPS, dia nisy ny taratasy avy maneho fa “Mendrika amin’ny fahaiza-mitantana” ny CNaPS, izay nomen’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny Fiahiana ara-tsosialy na ny AISS. Telo volana taoriana, nesorina tamin’ny toerany izy ny 20 martsa 2019, ary ny 20 novambra 2020, izany hoe 10 volana taty aoriana vao voatendry ny ankehitriny Atoa Mamy Rakotondraibe.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.