Tsy mbola voatendry foana ny tale jeneraly vaovaon`ny Birao mahaleotena miady amin`ny kolikoly (BIANCO). Efa nifarana tamin`ny 21 jona lasa teo ny fe-potoam-piasan`ny tale
jeneralin`ny BIANCO teo aloha, Andriamifidy Jean Louis ary efa herinandro maro izao no nanaterana ny anaran`ireo olona telo hisafidianan`ny Filohan`ny Repoblika. Ny lalàna no milaza fa ny komity misahana ny fahitsiana (CSI) no manao ny pitsopitsony rehetra ary misy solontenam-panjakana mandinika ity rafitra ity ihany koa… Efa vonona ny anarana telo omena ho an’ny filoham-pirenena saingy voatolotra tokoa ve ? Efa vita ny dingana rehetra mantsy. Zava-dehibe ny fametrahana ny talen’ny Bianco satria ain-dehiben’ny firenena ny ady amin’ny kolikoly. Tsy tokony hatao ao anatin’ny fahamaivanana ny fanendrena. Mety ho izay tokoa ve ? Sa inona no tena ao ambadika ? Eo ihany koa ny fanendrena ireo talena orinasam-panjakana toy ny CNaPS. Araka ny loharanom-baovao voaray dia manana lalàna mifehy ireo orinasam-panjakana ka ny didim-panjakana no mamaritra azy. Ny orinasa sasany, ohatra, mametraka fe-potoana telo hatramin’ny enim-bolana no misy tale jeneraly mpisolo toerana ka tsy maintsy kabinetra misahana fanadihadiana (cabinet de consultance) mahaleotena no miandraikitra ny fiantsoana tolo-bidy (appel à candidature) ka izay vao misy ny “appel à manisfestation d’interet”. Ankoatra ireo, maromaro ireo rafi-panjakana ahitana fahabangan-toerana noho ny tsy mbola nisian`ny fanendrena tale jeneraly rehefa nofoanana ny fanendrena teo aloha. Tsy fantatra loatra ny anton’ny fitarazohan`ny fanoloana olona ambony amin`izao fotoana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.