Actualités

Fanendrena ny Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Efa any am-pelatanan’ny filoha ireo anarana 3


  • Zoma 14 Jona 2019

Efa nalefa any amin’ny filoham-pirenena ny 2 jona lasa teo ny anaran’ireo olona 3 hisafidianany ka tendrena ho tale jeneralin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco)

 

 

 araka ny fampitam-baovao avy amin’ny komity manokana nikirakira ny antontan-taratasin’ireo kandida miisa 64. Ahitana mpahay lalàna, solontenan’ny minisiteran’ny fitsarana, zandary, polisy, olon’ny fiarahamonim-pirenena, mpisolovava, mpampianatra, tompona orinasa … ao anatin’ity komity manokana ity. Tapitra amin’ny 24 jona ho avy izao moa ny fe-potoam-piasan’ny tale jeneralin’ny Bianco am-perinasa Atoa Jean Louis Randriamifidy. Tsy azo havaozina intsony ny fotoam-piasana 5 taona, araka ny voatondron’ny andininy faha-42 ao amin’ny lalàna laharana 2016-020 ka izay no tsy maintsy hanendrena ny tale jeneraly vaovao. Tsiahivina fa tapitra tamin’ny 13 mey ny fanaterana ny antontan-taratasy, ny 16 mey no nivory voalohany ny komity manokana ka nandinika ireo antontan-taratasy miisa 64. Anisan’ny mason-tsivana niasana ny mombamomba ilay kandida, ny traikefa ananany, ny andraikitra efa nosahaniny, ny fahaizana amam-pahalalany. Kandida 10 no niatrika ny adina am-bava ora iray avy ny 28 sy 29 mey 2019 ka efa somary lalina kokoa ny fanadinana natao mahakasika ny fahaizana mandaha-teny, ny traikefa manoloana ny asa mety hosahanina, ny zotom-po sy fananana saina sy fomba fijery malalaka sy mahaleotena tsara, ny fahavononana hiasa amin’ny fotoana rehetra, ny fahasahiana, ny fahalalana ankapobeny sy manokana, ny fifehezana ny fiteny Malagasy, Frantsay ary Anglisy, fanana vina stratejika ary ny fanana fahaizana momba ny haitarika (leadership).Taorian’izay no nivoaka ny anaran’olona 3 koa dia miandry izay fanendren’ny filohan’ny Repoblika sisa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT