Actualités

Fanendrena masoivoho vaovao Hamaivanin’ny filoha


  • Alarobia 06 Aprily 2016

Roa taona sy tapany aty aorian’ny naha filoham-pirenena azy, tsy mbola nanendry masoivoho na dia iray aza i Hery Rajaonarimampianina.

 

 An-kilan’izay, efa mamerimberina ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice fa maika ny fanendrena ireo masoivohontsika vaovao hisolotena an’i Madagasikara any ivelany. Fanapahan-kevitra politika tanteraka izy io ary tena miankina amin’ny filoham-pirenena. Fa miandry inona ingahy filoha no tsy maika mihitsy amin’ity fanendrena ambasadaoro ity ? Re tamin’ny resaka nivoaka avy tao an-dapa fa misy adivarotra goavana ny amin’ireo olona hotendrena ka eo no mety mahasahiran-tsaina azy. Teo aloha kely teo moa dia nandeha be ny resaka fa misisika hametraka ny olony ho masoivoho na hiasa any amin’ireo masoivoho Malagasy any ivelany Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina. Maro koa ireo olona manodidina ny filohan’ny repoblika no manao an-kisisika amin’ity raharaha iray ity. Hafahafa ary tena tsy manaraka lojika politika izy io satria olon’ny fitondrana tetezamita ny ankamaroan’ireo diplaomatintsika any ivelany ireo. Milaza fa miantso ny mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka avy any ivelany ny fitondram-panjakana kanefa toa manamaivana ny resaka diplaomasia ekonomika izay efa tena lamaody tokoa amin’izao fotoana. Asa izay tokony hiandraiketan’ireo masoivoho izay efa manana eo am-pelatanany ny politikam-pampandrosoan’ilay fitondram-panjakana mijoro. Sa ve efa mahafantatra ny fitondrana Rajaonarimampianina fa tsy misy azo antenaina amin’ny avy any ivelany amin’izao « mandat » voalohany izao ka aleo tsy atao mahamaika aloha ny fanendrena masoivoho ?

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT